Depiote Razakandrainy Dominique : “Efa miroso amin’ny fifidianana isika”

“Efa nisy ny fanapahan-kevitra noresahina ampahibemaso nolazain’ny Praimini­sitra, nanamafy izany amin’ny fitsidiham-paritra ataony koa ny filohan’ny Repoblika: hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Tsy tokony hitarina izany fa halefa ny fifidianana, hirosoan’ny raharaham-pirenena.”
Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Sakaraha tamin’ny anaran’ny IRD, Ra­zakandrainy Henri Domini­que, momba ny tsy fisian’ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023, mahabe resaka amin’izao fotoana izao. Anjaran’ny fahefana mpanatanteraka ny mijery izay hahatomombana izay fifidianana izay, fa miroso amin’izany i Madagasikara amin’izao.
Mbola nanamafy rahateo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta tamin’ny fanokafana ny fivoriamben’ny Antenimierampirenena fa tsy maintsy hisy ny fifidianana. Manao fandikana ny zavatra hitany sy ny tsapany ny mpisehatra politika. Ireo tomponandraikitra tena hikirakira ny fifidianana, na ny Ceni na ny minisiteran’ny Atitany na ny fanjakana : tsy mihemotra amin’ny fanaovana fifidianana.
“Tsotra ny antony: raha ny fanazavan’ny Atitany, tsy vao izao isika no manao fifidianana”, hoy izy. Efa misy ireo fitaovana toy ny vata fanda­tsaham-bato mangarahara, ohatra, hiatrehana fifidianana fa tsy hoe vao hoforonina avokoa izany. Na izany aza, misy ny tetibola voasoratra amin’ny tetibola 2023. Tsy ampy izay raha ny vinavinan’ny Ceni, fa efa nisy fanitsiana nataon’ny fanjakana: tsy 145 miliara fa latsak’izay. “Eri­treritra fotsiny ny hoe: hisy sa tsia ny fifidianana?” , hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: