Tokony hisy ny fifandrindrana asa eo amin’ny rafitra mpibaiko sy ny mpanatanteraka, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa…
Mamita iraka any amin’ny faritra Atsinanana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé, hotronin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ireo mpiara-miasa aminy. Nisy, araka izany, ny fivoriambe notanterahin’izy ireo miaraka amin’ireo solontenam-panjakana, ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fibaikoana ary ireo manamboninahitra sivily sy miaramila avy ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Toromarika hentitra no nomen’ny MDN tamin’izany mba hanatsarana sy hanamafisana ny fifandrindran’asa eo amin’ny rafitra mpibaiko sy ny rafitra mpanatanteraka, hampirindra ny fiarahamonina. Ankoatra izany, namaritra ireo paikady ho fampandriana fahalemana ny faritra ihany koa ity manamboninahitra jeneraly ity manoloana ny fiatrehana ny fetim-pirenena sy ny fiomanana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ho avy. Marihina fa isan’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana rahateo ny ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana.
Jean Claude




