Vondrona eoropeanina-Mef : tombanana ny Fed faha-11

Natao, omaly, teto Antana­narivo, ny fivoriana nanombanana ny fandaharanasa ao anatin’ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed), andiany faha-11. Mamatsy vola azy ny Vondro­na eoropeanina (UE), izay nanomboka ny taona 2014 hatramin’ny 2020, mitentina 492 tapitrisa Euros. Anisan’ny sehatra voakasika ny fanamboarana fotodrafitrasa (204 tapitrisa Euros), toy ny lalana, ny famatsian-drano fisotro madio, ny fanatsarana ny fi­tantanam-panjakana (142 ta­pi­trisa Euros), ny fampandrosoana eny ambanivohitra (132 tapitrisa Euros). Misy koa ny fanohanana ny Fiarahamo­nim-pirenena (8 ta­pitrisa Eu­ros), sy ny hafa. Ni­laza ny minisitry ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola (Mef), Raba­ri­nirinarison Rindra Hasim­belo, fa efa fanao isan-taona ny tomban’ezaka, isaky ny seha-pihariana. Nampiavaka ity fivoriana tomban’ezaka ity kosa ny Fed faha-11 ankapobeny.

Endrika vaovao
Tsy mbola tapitra ny fandaniana ny vola fa ny 51% no efa nankatoavina ny hanatanterahana azy, ary izao tombanana izao. Nojerena ny olana, ny sakana ary karohina ny vahaolana.
Tapitra ny Fed faha-11, fa tsy tapaka ny famatsiambolan’ny UE. Notsindrian’ny mi­nisitra fa endrika vaovao indray izany fanohanana iza­ny, ny fametrahana ny fandaharan’asa marolafy ho an’ ny fampandrosoana, antsoina hoe Neighbourhood, development and international cooperation instrument (NDICI). Efa misy tetikasa tohanan’ity fandaharanasa ity (2021-2027), ka izay koa no anton’ny fivoriana, omaly, nijerena ny fitantanana azy, tsy hifanindry amin’ny Fed faha-11.

Njaka A.

Partager sur: