Atao eny amin’ny CCI Ivato, ny 15 ka hatramin’ny 18 jona izao, ny hetsika “International tourism fair Madagascar” (ITM) andiany fahasivy. Lohahevitra amin’ity taona ity ny fizahantany lovain-jafy anatin’ny haitao ara-kajy mirindra. Hiavaka tanteraka ny hetsika noho izy tsy nisy nandritra ny telo taona. Hivory mandritra ireo fotoana ireo ny mpikambana rehetra ao amin’ny “Îles vanilles” eto amin’ny fari-dranomasina Indianina. Hojerena ny tetikasa rehetra hoentina mampiroborobo ny fizahantany aty amin’ny fari-dranomasina Indianina. Maro ihany koa ny lohahevitra horesahina mandritra ny efatr’andro izay handraisan’ireo matihanina anjara hoentina mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany.
Ankoatra izay, manana tanjona ny hampiakatra ny isan’ireo mpizahatany tonga mitsidika an’i Madagasikara ny minisitera. Tanjona ny hahatratra 1 tapitrisa mpizahatany ny taona 2028. Paikady entina hanatanterahana izany sahady ny ITM. Ankoatra izay, hivoitra mandritra ny efatr’andro hanaovana izany ny haitao ara-kajy mirindra. Atao izany hampahafantarana an’i Madagasikara any amin’ireo firenena ivelany, amin’ny alalan’ny Ofisy nasionalin’ny fizahantany (ONTM).
Henintsoa H.