Nanao fifanarahana roa sosona ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny 12 jona teo. Famatsiam-bola tsy averina mitotaly 1,8 tapitrisa dolara. Mitentina 1,3 tapitrisa dolara ny voalohany, hanatanterahana ny Faritra hifanakalozana ara-barotra malalaka ho an’i Madagasikara sy Afrika (ZLECAF), izay tsy mbola tanteraka hatramin’izao. Ao anatin’izany ny hananganana ny rafitra hanatanterahana io fifanakalozana ara-barotra io. Eo koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra voakasika rehetra eto amintsika. Ho afaka misitraka ity fifanakalozana malalaka ity i Madagasikara rehefa mitsangana ny ZLECAF.
Hanampiana traboina
Mitentina 500.000 dolara ny famatsiam-bola tsy averina faharoa. Natao hanampian’ny fanjakana ny mponina traboina vokatry ny rivodoza Freddy farany teo. Mahatratra 170.000 ny isan’ny olona sahirana ara-tsakafo, manerana ny faritra 12. Miisa 32.000 ny olona marefo vinavinaina hisitraka ity fanampiana ity, homena vary 342 t, voamaina 57 t ary menaka 34 t. Hanatanteraka azy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena ara-tsakafo (Pam), miara-miasa amin’ny Birao nasionaly mitantana ny ambana sy ny loza voajanahary (BNGRC). Tanjona ny hametrahana vahaolana maharitra hiatrehana ny loza voajanahary izay tsy maintsy misy isan-taona eto amintsika.
Nanao sonia ireo fifanarahana roa ireo ny minisitry ny Toekarena, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ny solontenan’ny Bad eto Madagasikara, Adam Amoumoun ary ny solontenan’ny Pam eto amintsika, Pasqualina Di Sirio.
Njaka A.