Nanomboka ny alarobia teo ny atrikasa iraisam-pirenena hoentina mifampizara ny fahalalana, ireo traikefa nahatongavana amin’ny fahombiazana momba ny toekarena manga, ny jono madinika sy salantsalany ary ny fiarovana ireo rohy voahary an-dranomasina. Fivoriana natao ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra atsinanana sy atsimo andrefan’i Afrika ary ny eto anivon’ny ranomasimbe Indianina. Hofaritana mandritra ny efarana, any Kenya ny vina hoenti-mametraka an’i Afrika ho amin’ny tsaratsara kokoa amin’ny sehatry ny jono sy ny fampiharana ny fanjonoana maharitra. Ao koa ny fametrahana ny “agenda 2023” izay hiarahana amin’ny Vondrona Afrikanina. Mandray anjara amin’ity atrikasa ity i Madagasikara. Mitarika ny delegasiona ny solontena avy ao amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny tomponandraikitra samihafa.
Henintsoa H.