Solonomenjanahary Malalaniaina Hoby Eva: “Mila jerena ny vahaolana maharitra amin’ny fiainam-bahoaka”

Ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny vahoaka amin’izao. Inona no hatao? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Groupe artistique évangélique Fenoantsa Itaosy (GAEFI) ao amin’ny Fiangonana fifohazam-panahy Moria Bemasoandro Itaosy, i Solonomenjanahary Malalaniaina Hoby Eva: “Mila jerena misimisy kokoa ny fiainam-bahoaka sy ny vahaolana maharitra amin’izay fiainam-bahoaka izay.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo ny fiainam-bahoaka amin’izao amin’ ny maha mpitory Filazan­tsara anareo?

Solonomenjanahary Malalaniaina Hoby Eva (-): Mankalaza ny faha-20 taona izahay. Tsy voafetra amin’ny fitoriana teny sy hira ara-pilazantsara ny fitoriana. Tian’i Kristy koa ny fizarana zavatra ho an’ny mahantra sy ny malahelo. Hita fa tena sahirana ny vahoaka amin’izao. Izay nanapahanay hoe hizara tosika kely amin’izay misy eo an-tanana. Hizara sakafo manta toy ny vary mpiampy savony, sns ho an’ny vahoaka sahirana izahay: ao amin’ny boriborintany II, Antananarivo Renivohitra, ny 20 jona; any amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy ny 25 jona. Harahina fampisehoana ny hetsika. Fitetezana ny isan-tokantrano kosa no hatao ao amin’ny boriborintany III. Hiara-miasa amin’ny delegen’ny boriborintany izahay amin’izany, fa izy ireo no mahalala izay tena sahirana amin’ny toerana iadidiany.

* Ampy ve izay amin’ny fanarenana ny fiainam-bahoaka?

– Tsy ampy izay, fa tsy hahavita inona. Manentana an’ireo fikambanana toa anay sy ny isan’ambaratonga afa-mizara… Zava-dehibe ny hoe: inona ny eo an-tanan’ny tena mba hozaraina amin’ny madinika sy ny sahirana? Manentana koa ny mpitondra, tsy hoe tsy manao ny andraikiny izy fa efa misy ny tosika fameno, ny vatsy tsinjo… Mila jerena misimisy kokoa sy vahaolana maharitra amin’izay fiainam-bahoaka izay.
Ny fidangan’ny vidim-piainana no tena olana amin’izao, indrindra ny vary. Foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary, nefa efa vitsy ny mihinam-bary intelo isan’andro. Tsy voatery hanafatra hatrany ny vahaolana maharitra. Maro ny velarantany midadasika eto amintsika: entanina amin’ny fambolem-bary ny vahoaka, ary ampiana amin’ny masomboly sy fitaovana ary teknika. Raha ny vary fotsiny aloha no mitobaka ary mora vidy eto Madagasikara: voky ny va­hoaka, manaraka ho azy ny sisa.

* Ny fahitanareo ny fiainam-bahoaka ao anatin’ny fahalovana amin’izao, raha ny fijerin’ny sasany azy?

– Ny hanoanana no mahatonga an’izay. Rehefa noana ny vahoaka, lasa manaotao foana: mety mangalatra, ohatra, ary tonga amin’ny famonoana olona. Samy manana ny toe-tsainy ny olona. Tokony hiasa amin’ny fitoriana Filazantsara sy fanentanana vahoaka ny mpitondra fivavahana. Raha tena miaina amin’ny fiainana kristianina ny olona: tsy hisotro toaka na hitsindrona rôrô, ohatra, ny tanora, rehefa voataizan’ny fiangonana. Mila miasa mafy izany ny mpitondra fivavahana: tsy mianina fotsiny ao anatin’ny fiangonana fa mivelatra… Tena atao isam-baravarana izany. Jerena ny fitoriana Filazantsara maharitra.
Manentana ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra fivavahana samy hanao ny an­draikiny eo amin’ny fitaizana. Tsy apetraka fotsiny amin’ny mpitondra fanjakana ny fampandrosoana ny firenena. Manana andraikitra feno amin’ izay fanarenam-pirenena izay koa isika mpitory Filazan­tsara, araka izay tandrify antsika. Izay no nanangananay firaisamonina sivily hoe Andry sy reharehan’ny olom-banona vonona hijery tombontsoam-pirenena (Arovi).

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: