“Aleo isika miroso mankany amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Tsy misy dikany ny hanaovan-tsonia ny sata, raha tsy mankany amin’ izany. Manomboka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna hatramin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Desiré. Fanambarana nataony momba ny fanaovan-tsonia ny satan’ny fitsi-pitondran-tena ho an’ny antoko politika hiatrehana ny fifidianana.
Mitovitovy amin’izao ny tamin’ny 2018. Nandeha ny grevin’ny depiote 73, volana avrily. Niditra tamin’ny fivoriana ara-potoana voalohany ny Antenimiera, volana mey. Mbola ao anatin’ny fotoana malalaka ny governemanta ankehitriny, hanaiky ireo tolo-kevitra fanovana ny rijantenin-dalàna vitsivitsy izay anisan’ny mampiady. ”Sanatria, hiteraka korontana izany raha tsy hifampidinihana. Izay no mahatonga ny antoko milaza hoe: na amin’ny volana jolay aza, mbola afa-manao fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimiera.”, hoy hatrany izy.
”Ambony lavitra no ho ny zava-drehetra ny fifidianana. Aleo aza tsy manao sonia momba ny famatsiam-bola toy izay tsy hiditra amin’ny fivoriana tsy ara-potoana hahazoana manitsy andininy vitsivitsy amin’ny lalàm-pifidianana mety hampikorontana satria tsy mampitovy hevitra amin’izao. Tsy raharahan’ny mpitondra irery ihany ny fifidianana, fa an’ny antoko sy ny hery velona iray manontolo. Andao isika hanitsy ny lalàm-pifidianana sy handroso ho amin’ny tsaratsara kokoa”, hoy izy.
R. Nd.




