Baomiavotse Raharinirina : kaominina telo nizarana jiro

Tanteraka ny fampanantenana. Nanolotra jiro ho an’ny mponina any Imady Ala, fony minisitry ny Ton­tolo iainana, Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Na izany aza, nisy kaominina vitsivitsy any an-toerana tsy mbola nisitraka izany. “Tsy maintsy homena ireo kaominina ireo. Tsy hisy toerana hatao zanak’Ikalahafa araka ny toromariky ny filoha Ra­joelina ny amin’ny filazany fa tsy misy distrika hadino”, hoy ity mpanolontsaina ma­nokan’ny filohan’ny Repo­blika ity.
Nohamafisiny fa mariky ny fahazavana sy ny fisokafana ny jiro. Antony nahatonga azy nanolotra izany. Niton­dra fitaovana ho an’ ny kaominina maromaro ny tenany, nandritra ny fidinana ifotony ny faran’ ny volana mey. Anisan’ izany ny tao amin’ny kaominina Antoe­tra, nahazo jiro miisa 10. Dimy isan-kao­minina kosa ny tao Ihadila­nana sy ny any Fe­hizay. An­koatra izay, nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo vahoaka tany an-toerana. Voaresaka ny fampandrosoana sy ny fanabeazana. Nisy ny fihainoana ny hetahetan’ny mponina.

Synèse R.

Partager sur: