Mailo tanteraka. Anisan’ ny nivoitra tamin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM ho an’ny tao Antsirabe, ny herinandro teo, ny fiainam-pirenena. Voaresaka manokana ny momba ny hiatre-hana ny fifidianana. “Nifampidinika sy nifanakalo hevitra momba izany ireo mpizaika ary samy nitady vahaolana mba hametrahana fitoniana sy filaminana ho amin’izany fizotran’ny fifidianana izany. Tapaka fa handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ny rehetra ka hiroso amin’ny fananganana ny rafitry ny Andrimaso FFKM eny anivon’ny fokontany”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nentanina ny vahoaka manontolo mba handray anjara feno amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana.
Delestazy sy ny tsy fandriampahalemana
Etsy andaniny, anisan’ny nisongadina koa ny momba ny sosialim-bahoaka sy ireo olana manodidina izany. Anisan’ny nampitaraina ny rehetra ny delestazy sy ny tsy fandriam-pahalemana. Itoviana amin’ny faritra rehetra hanatanterahana ny fihaonambem-paritra izany. “Zava-dehibe eto amin’ny firenena izany andraikitra raisin’ny FFKM izany ary tokony hahatonga saina ny mpitondra fanjakana”, hoy ny loholona MMM, Rakotondrainibe Michel (Ndriana), anisan’ny mpanao politika, nandray anjara tamin’izao fihaonambem-paritra izao.
Tsiahivina fa naharitra telo andro, nanomboka ny 7 jona teo izany dinika niarahana amin’ny fiangonana efa-tonta izany ary notanterahina tao amin’ny FJKM Vatofotsy Antsirabe.
Tsiahivina fa efa maromaro ireo faritany FFKM nahatontosa ny fihaonambem-paritra. Hiroso amin’ny fihaonambem-pirenena izy ireo, aorian’izany.
Synèse R.




