Fitsarana Anosy : sarona ireo mpijirika

Manomboka hita taratra ny fanatsarana ny fomba fiasa. Sarona ny alatsinainy sy talata teo, tetsy amin’ny fitsarana Anosy, ireo mpiji­rika miisa roa. Anisan’ny fomba fiadin’izy ireo ny fakana vola amin’ireo manan-draharaha ao amin’ny fitsarana. Mampanantena sy mi­laza fa mahavita mamoaka gadra any am-ponja izy ireo amin’izany ary efa maro ireo lasibatra. Tsy nitazam-potsiny fa nametraka vela-pandrika avy hatrany ny filohan’ny fitsarana, ny tonia mpampanoa lalàna ary ny lehiben’ny mpiraki-draha­raha ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo ka izao nahitam-pahombiazana izao izany.
Niara-niasa tamin’ny fahazoana vokatra ireo eo anivon’ny mpitandro filaminana. Niainga amin’ny fampiharana ny paikady napetraky ny minisitra Randria­manantenasoa Landy Mbo­latiana. Anisan’izany ny fa­merenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana.
Na izany aza anefa, to­kony hitohy ny ezaka ary hamafisina ny tahaka izao. Mety efa manana tambajotra sy andiany izy ireo, ankoatra ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny fitsarana.

Synèse R.

Partager sur: