Tsy hijanona amin’ny nahalalana azy hatramin’izay. Tonga eto amintsika manatanteraka iraka ny delegasiona avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant Rouge.
Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, izy ireo, omaly. Nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny Croix-Rouge Malagasy. Tafiditra ao anatin’ izany ny fampifanarahana amin’ny drafitra fampandrosoana eto amintsika ny fandaharanasan’izy ireo.
Voaresaka koa ny hanitarana bebe kokoa ny fiaraha-miasa, ankoatra ny fiahiana ny maha olona, efa iandraiketan’izy ireo.
Anisan’izany ny hijerena ny fiaraha-miasa momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo koa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ary koa ny lafiny fahasalamana.
Hihaona amin’ny tomponandraikitra hafa
Tsiahivina fa ivondronan’i Madagasikara sy ny atsy amin’ny Nosy Maurice, Seychelles ary Comores izany Federasionina iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant Rouge izany. Notarihin’ny filohany, Mohammed Omer Mukhier, talem-paritry ny IFCR izao fihaonana izao.
Mbola hitohy amin’ny fihaonana amin’ireo tomponandraikitra hafa eto amintsika izao fivahinianan’ireto vahiny ireto eto amintsika.
Synèse R.




