Nidoboka am-ponja, ny zoma 9 jona teo, ilay mpangalatr’omby sady mpamono olona iray ikoizana tao amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana taorian’ny fampanoavana. Dahalo raindahiny, efa namono olona tamin’ny alalan’ny basy izy, ny 29 aogositra 2019. Namoy ny ainy tamin’izany ny lehilahy lehibe iray 60 taona. Nokarohina, tsy hita ity dahalo ity. Niala tao amin’ny fokontany Ambatosariomby, kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe izy. Nitohy ny fikarohana nataon’ny zandarimariam-pirenena miasa ao an-toerana. Ny 1 jona teo, saron’ny zandary tampoka io dahalo nokarohina io rehefa niakatra tao ana-tsena. Nitsoaka avy any amin’ny kaominina Bezaha izy noho ny halatra nataony ka nitetika hialokaloka tao amin’ny kaominina Kiranomena indray.
Tsiferana R.