Naharitra roa andro ary nifarana afakomaly, teny amin’ ny Radisson Ambodivona, ny fivoriana “Panel adhoc cacao fin”. Fihaonana an-tampony niarahan’ireo manampahaizana 20 avy amin’ny firenena maneran-tany mamokatra cacao, nijerena ny kalitao tsara indrindra sy ny vokatra aondrana manerana an’izao tontolo izao. Nilaza ny minisitry ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny indostria ary ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Edgard, fa “anisan’ny voalohany isika eto amin’ny Nosy amin’ny hatsaran’ny kakaô malefaka na “cacao fin”, vokarina eto an-toerana. Reharehantsika ny mampiavaka azy io amin’ny maha kakao malefaka manitra azy. Tombony ho antsika izany, satria manana ny vidiny tsara indrindra maneran-tany isika ary miady mba tsy hidina ny vidiny”. Miandraikitra mametra ny vidin’ny “cacao fin” eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny International cocoa organization (ICCO), nanomboka ny taona 2015.
Nihatsara ny vidiny
Nambaran’ny solombavambahoaka Ambanja, Darkhoui Sirits, fa «15000 taonina ny vokatra kakaô tao amin’ny distrika, ny taona 2022 sy ny 2023». Nihatsara ny vidim-bokatra andraisan’ny mpanangom-bokatra azy. Mivelona amin’ny fambolena kakaô ny 80%-n’ny mponina any Ambanja. 10 000 Ariary ny kilaon’ny kakaô malefaka, ankehitriny, raha 6 000 Ariary izany teo aloha. Mahatratra 1 000 hatramin’ny 3 000 dolara ny kilao, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Andrasana ny hanomezan’ny manampahaizana ny naoty tsara indrindra ho an’i Madagasikara mikasika ny kalitaon’ny kakaô eto amintsika.
Mino (mpianatra asa)