Taitra indray ny mpanjifa, nanomboka ny alin’ny alarobia sy ny marainan’ny omaly alakamisy, niverina tapaka naharitra ny herinaratra. Araka ny hita tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny Jirama ao anatin’ny tambajotra ofisialy, « tara ny fahatongavan’ny fiarabe mpitatitra solika avy any Toamasina, satria nisy lozam-pifamoivoizana tany Mandraka, ka nisy fahatapahana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2).
Manampy izany, milaza koa ny Jirama fa kely ny tosiky ny rano ao Andekaleka, mampihodina ny milina. Lasa 31 m3/s sisa raha tokony ho 46 m3/s ny tamin’ny taon-dasa (jona 2022). Voatery hatao ny delestazy noho ireo.
Vahaolana maharitra naroson’ny Jirama, ny fanorenana toby herinaratra avy amin’ny masoandro any amin’ny distrika 32, sy avy amin’ny riandrano miisa 46. Hampitomboina 105 Mw koa ny herinaratra vokarina eny Ambohimanambola. Lavitr’ezaka ireo, fa tsy maintsy hitohy ny delestazy.
Njaka A.