Fandraharahana : manolotra « Packs Orinasa sy Orinasa+ » ny BNI

Tsy afa-miala amin’ny sehatry ny fizahantany ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Antony nahatonga ny BNI Madagascar manao ny tolotra “Packs orinasa sy orinasa +” ho an’ireo mpandraharaha. Tolotra fampindramam-bola tsotra sy manamora ny fanatanterahana tetikasa. Misy ihany koa ny tolotra KRED izay hanomezana torolalana sy torohevitra amin’ny famatsiam-bola ny tetika­san’ireo mpandraharaha. Miaraka amina zanabola ambany indrindra. “Ankoatra izay, misy ny tolotra BNI PAY, misy ny e-commerce. Tolotra voalohany ataon’ny banky ny fandoavam-bola ana habaka avy eto Madagasikara na avy any ivelany ho an’ireo misehatra ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany. Ankehitriny, tanteraka ny fanirian’ireo mpandraharaha te hisehatra eo amin’ny fizahantany sy ny asa tanana miaraka amin’ireo tolotra omen’ny BNI Mada­gascar ireo. Atao izany hampiroboroboana ireo seha-pihariana ireo”, hoy Ralai­manisa Ndrina.

Henintsoa H.

Partager sur: