Any amin’ny maherin’ny 100 km avaratr’i Toliara sy
80 km ny alan’i Ranobe no misy mponina, ny foko Mikea. Malagasy mbola miaina ny fotoana fahagola izy ireo, mivelona amin’ny haza sy ny remby. Anisan’ny mahavita miaina tsy misy rano.
Manan-karena ara-kolontsaina, saingy tandindomin-doza ny faritra onenany, ankehitriny, vokatry ny fitrandrahana an-tsokosoko ataon’ireo foko manodidina, mamboly katsaka. Manoloana izany, miady mafy hiarovana hatramin’ny farany ny kolontsaina Mikea i Jean Claude Vinson. Nanangana sekoly tao anaty ala mikea izy tamin’ny taona 2015, saingy nopotehin’ny dahalo. Nafindra tany amin’ny tanànan’Ankindranoke ny sekoly vaovao ny taona 2018. Nanampy azy ny tetikasa Fasimainty, (niova ho Base Toliara), rehefa nentanin’i J.C Vinson, niantoka ny sakafon’ny mpianatra, na dia lavitra be (80 km) miala ny toeram-pitrandrahan’ity orinasa ity aza ilay sekoly.
Nanampy koa ny vondron’orinasa Axian sy ny ONG Akio, nanangana sekoly vaovao faharoa, ahitana toeram-pidiovana sy fivoahana ary koa toerana firaiketana ny vakoka Mikea. Nambarany fa tsy vita hatreo ny asa, tsy maintsy mifarimbona ny rehetra. Natao hampianarana ny zanaky ny Vezo sy ny Mikea ity sekoly ity, sady hitazonana maharitra ny kolontsaina Mikea. Hampianarina manokana indray mandeha isan-kerinandro ny kolontsaina Mikea.
Nilaza i Tsivahora, fa «Mikea izaho sy ny ray aman-dreniko. Niankin-doha tamin’ ity ala ity izahay hatramin’
izay, nivelomana sy nakana fanafody hitsaboana. Gaga aho raha naheno fa ho haringan’ny orinasa iray ny ala. Tsipihiko anefa fa tsy miantraika amin’ity ala ity mihitsy ny tetikasa Base Toliara. Efa nanapotika ny ala, namboly katsaka ireo mponina manodidina, na tsy mbola nisy aza io orinasa io. Raisinay an-tanandroa ny fanampiana ahafahan’ny zanakay misakafo sy mianatra».
Nanamafy ny ben’ny Tanàna Tsianisiha, Rakotomavo Dody Jummerman, nandritra ny fitokanana ilay sekoly vaovao, fa tsy ahitana Mikea any amin’ny faritra voakasiky ny tetikasa fitrandrahana any Ranobe. Nankasitrahany ny tantsoroka ataon’ny Base Toliara.
Naseho ho hitan’ny rehetra nandritra ity fotoana ity ny savaranonandon’ilay horonantsary mitondra ny lohateny hoe : «les derniers des Mikea», notontosain’i Jean Claude Vinson.
Njaka A.