Velon-taraina ny mpanjifa fa niaka-bidy ny sira. Nisy tamin’ireo tsena sasany aza tsy nahitana izany mihitsy. Ankehitriny, niakatra ho 300Ar ny fonosana sira vovony amin’ ireo 200grama raha mbola 250Ar izany teo aloha. “Nanomboka tamin’ny alarobia teo ity fiakarana ity”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray. Niakatra ho 500Ar ihany koa ny kapoakan’ny sira vaingany raha vidiana 300Ar izany teo aloha. Nilaza ny minisiteran’ny Varotra fanoho ny fihenan’ny vokatra sira avy any amin’ireo faritra mpamokatra toa an’i Morondava sy Toliara ny anton’izao. Notohizany fa nihena ny vokatra taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza ka nahatonga tsy fahampiana ny famatsiana eto amin’ ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra.
“Nisy fotoana tara herinandro mihitsy ny famatsiana sira amin’ireo fonosana 200g”, hoy ny mpivarotra iray. Notohizany fa tsy nahitana olana kosa ny amin’ireo sira vaingany. Ankilan’izay, misy ihany koa ireo mivarotra ireo sira amin’ny kapoaka ka manamora ny fanjifan’ireo mpanjifa.
Siratany
Niaka-bidy ihany koa ny kapoakan’ny siratany. Ankehitriny, lasa 600Ar ny vidin’ ny iray kapoaka ao Toliara, raha mbola 400Ar izany teo aloha. Eto an-drenivohitra, tafakatra 1.200Ar izany raha mbola 1.000Ar teo aloha. Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza no voalaza ho nahatonga ny fiakarana. Sarotra ny manamaina ny siratany noho ny tondradrano izay namely ihany koa ny faritra Ampanihy sy ny manodidina izay fantatra fa mpamokatra betsaka ity karazana sira ity ihany koa.
Henintsoa H.