Tontolo iainana : mila foanana ny akora plastika

Tsy voafehy ! Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, mahatratra 460 tapitrisa taonina ny fako plastika maneran-tany, ny taona 2019 teo. Very eny amin’ny tontolo ankalamanjana rehetra eny ny 353 tapitrisa taonina amin’io, tsy misy toerana voafehy. Tsy manana fahefana ara-bola hifehezana izany anefa ny kaominina, sady tsy manana vahaolana maharitra.Voalaza fa tsy voafehy ny fiarovana ny tontolo iainana raha tsy foana ny fampiasana ny akora plastika. Niezaka mitady vahaolana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana sy ny ranomasina, ny 5 hatramin’ny 8 jona 2023 teo, saingy tsy nisy ny vahaolana tena maharitra sady azo tanterahina.

Njaka A.

Partager sur: