Nilaozan-dreniny nikarama: mpirahavavy kilan’ny afo!

Niara-maty tanaty haintrano ny mpirahavavy vao 10 volana sy 4 taona, afakomaly. Mbola tany am-pikaramana nanasa lamba ny renin’izy ireo no niseho ny loza.

Maty tsy tra-drano! kila tsy azo nialana nenina ny zazavavy kely roa, afakomaly. Taraiky tao anatin’ny haintrano, tany Tanambao Zoara, kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa. Hotohoton’ny afo niaraka tamin’ny entana sy ny trano ireto ankizy. Tsy nisy olon-dehibe rahateo tao an-trano nandritra ny voina. “Mbola tany am-pikaramana manasa lamba ny reniny”, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. “ Nirehitra ilay trano misy rihana. Tsy fantatra mazava ny fototry ny afo”, hoy hatrany ny mpitandro filaminana, tonga teny an-toerana nanampy ny fokonolona sy ny mpamonjy voina namono ny afo.
“Mpanofa trano ao ambony rihana izy telo mianaka. Ny tompon-trano no ao ambany rihana. Tsy fantatra izay niseho. Setroka sy afo mivoaka eny amin’ny tafon-trano no nanaitra ny manodidina. Raikitra ny antso ka samy nanao izay azony natao ny olon-drehetra teny amin’ny manodidina”, hoy hatrany ny loharanom-baovao any an-toerana.
Rehefa nanao ny fanamarinana rehetra ny tompon-trano sy ny mpanao fanadihadiana dia hita efa kila tanteraka izy mirahavavy kely. Vao folo volana ny iray, efa-taona ny zokiny. Tsy mbola voafaritra ny teti-bidin’ny entana levon’ny afo. Tsy nanampo na inona na inona kosa ny renin’izy ireo. “Tankina sy tsy nanampo na inona na inona izy. Mbola taraiky tany am-pikarama nanasa lamba”, hoy hatrany ny loharanom-baovao any an-toerana.
Efa misokatra rahateo ny fanadihadiana ataon’ny mpitadro filaminana, ahalalana ny marina mahakasika izao haintrano, nahafatesana zaza kely roa izao.

Jean Claude

Partager sur: