Noraisim-potsiny ireo mpivarotra rongony mahery vaika roa lahy sy ny mpamboly iray teo Ampisotroandranomasina, fokontany Fiadanana, kaominina ambonivohitra sy distrika Manjakandriana, ny alin’ny 17 jona teo. Nitondra moto, voasava tampoka ny lehilahy roa. Nosavaina, nahitana rongony maina 600 grama sy héroïne na “rôrô” 3 grama teny amin’izy ireo. Niampy fitaovana fidorohana maromaro izany. Natao fanadihadiana, nitoroka ny mpamboly sy ny toerana fangalany ireo rongony ireo izy mirahalahy. Rongony 45 fototra sy zanaka rongony na pépinière dimy fototra, milanja 4 kg no nongotan’ny zandarimaria nandritra ny fidinana tao an-tanimbolin’izy ireo. Nogiazana ny rongony maitso 45 fototra. Nosamborina koa ilay mpamboly. Nitohy teny Besarety tao an-tranon’ireo roa lahy tratra ny fisavana nataon’ny zandary ka hita tao koa ny rongony efa maina, métamphétamine ary héroïne na roro milanja 3 grama, miampy ireo fitaovana ampiasain’izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.
Tsiferana R.