Kitra – Fifanintsanana «Can 2024» : Voatazon’ny Barea ady sahala ny Black Stars Ghana

Nahavelombolo ny rehetra ny endri-dalaon’ny Barea de Madagascar nanoloana ny Black Stars Ghana, teo amin’ny andro fahadimy, hiadian-toerana ho an’ny “Can 2024”. Tsy navelan’ny Malagasy nikofoka mihitsy ry Ayew mirahalahy.

Nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Barea de Mada­gas­car sy ny Black Stars Ghana, teo amin’ny andro fahadimy, fifanintsanana ho an’ny “Can 2024”, sokajy “E”. Fihaonana, notanterahina tetsy amin’ny kianja Mahamasina, ny alahady lasa teo. Na tsy nandresy aza ny Barea de Madagascar, afapo tamin’ny endri-dalao nasehony ireo mpijery tonga maro teny an-toerana.

Tsy nihafihafy mihitsy ny mpilalao malagasy, nahitana an’i Tendry sy i Dorian ary i Carolus, nampian-dry Ando sy i Boyer ary i Meta­nire, nanoloana an-dry André sy Jordan Ayew. Vokany, nesorin’ny mpanazatra Ganeanina mihitsy i Jordan. Nametraka ny paikady nomen’i Rôrô, mpanazatra, ry zalahy. Na izany aza, tsy nanana “occasion” ny Barea. Tsy nahavita ihany koa ny Black Stars satria tsara ny fiarovan-tena malagasy.
Fizaram-potoana faharoa, nitady hirika hamonoana baolina ny roa tonta. Nahazo fanafihana tsara ny Ganea­nina, tamin’ny alalan’i Partey, saingy voasakan’i Nina ny dakany. Tetsy ankilany, nisy baolina telo tokony ho fatin’ ny Barea fa diso nikoropaka loatra i Carolus. Toy izany koa ny an’i Dorian sy i Amada.
Nahazo isa 2 izany ny Barea, taorian’ity lalao ity saingy mbola mitana ny laharana farany hatrany. Tsiahi­vina fa efa tsy manana heri­jika hiatrehana ny “Can 2024”, in­tsony ny Barea de Madagas­car.
Teo amin’ny fihaonana ilany, resin’i Angola, tamin’ ny isa 2 no ho 1 i Centrafri­que. Fihaonana, farany ho an’ny Barea, ny fifandonana amin’i Angola, eo amin’ny andro fahenina. Lalao hatao any Luanda, ny 12 septambra 2023. Hampiantrano an’i Cen­trafrique kosa i Ghana.

Tompondaka

Filaharana sokajy “E” (A5)

1-Angola – (Isa 11)
2-Ghana – (Isa 9)
3-Centrafrique – (Isa 7)
4- Madagascar – (Isa 2)

Partager sur: