Hanampy ny tanora malagasy mpandraharaha sy hanome asa ary hampiroborobo ny fananganana orinasa. Ireo ny tanjon’ny programa “Miary Digital”, ataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra.
Sehatra tsy azo ihoarana ao anatin’ny fanatontoloana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Antony nahatonga ny tetikasa “Miary Digital” hanohana ireo tanora mpandraharaha misehatra amin’ny niomerika eto Madagasikara. Programa ataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary fanjifana. Tetikasa tohanan’ny banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hanohana ireo tanora mpandraharaha sy hanomezana azy ireo famatsiam-bola amin’ny tetikasa ataony. Atao izany mba hampivelatra ny seha-pihariana sy ny toekarana eto Madagasikara. Ho fananganana orisana mpamokatra sy hampiroborobo ny famoronan’asa. “Maro ny Malagasy tanora ary latsaky ny 25 taona avokoa ny 65% izany. Tombony ho antsika izany amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Izay indrindra no nahatonga anay hanohana ireo tanora handraharaha amin’ny tontolon’ ny niomerika. Hanampy ireo mpandraharaha ireo ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana, fananganana tambajotra sy toro hevitra ary ny famatsiam-bola”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina.
Tohana
Hahazo famatsiam-bola
5 000 ka hatramin’ny 15 000 dolara ireo start-ups mahafeno ny fepetra takina. Hisokatra ny volana jolay izao ny fisoratana anarana ho an’ny tanora malagasy mpandraharaha mihoatra ny 21 taona sy monina eto amin’ny faritra Analamanga. Manana tetikasa vaovao sy misehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra amin’ ny tontolon’ny fambolena, fiompiana, fampianarana sy ny maro hafa mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.
Henintsoa Hani