fizahantany : mila ampitomboina ny sidina miditra

Anisan’ny nanamarika ny salon International tourism fair Madagascar (ITM) ny fihaonan’ireo mpandraharaha samihafa misehatra amin’ny fizahantany eto amin’ny Nosy. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany tokoa ny hahatratra mpizahatany 1 tapitrisa ho tonga eto Madagasikara, amin’ ny taona 2028. Anisan’ny voa­resaka tamin’izay fa tsy main­tsy hampitomboina avo telo heny ny sidina iraisam-pire­nena isan-kerinandro miditra eto Madagasikara.Eo ihany koa ny fisokafan’ny lanitr’i Madagasikara amin’ireo kaompania matanjaka manao sidina amin’ny firenena le­hibe. Tsy adino ihany koa ny fanamafisana ireo sidina anatiny mba hahafahan’ny rehetra mandeha any amin’ireo toerana maro samihafa eto amin’ny Nosy. Tsiahivina fa natao teny amin’ny CCI Ivato ny hetsika ITM, andiany fahasivy, nandritra ny hefarana. Nanomboka ny alakamisy ka nifarana omaly ny hetsika. Samy nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana ny fizahantany sy ny hoaviny ireo mpandraharaha teny an-toerana. Fotoan-dehibe tokoa, nampivondronanana an’ireo mpisehatra maro samihafa na ny eto an-toerana na ireo avy any ivelany ny hetsika. Tan­jona ny hampahafantatra an’i Madagasikara amin’ireo firenana ivelany sy hampirobo­robo indray ny fizahantany eto an-toerana.

Henintsoa H.

Partager sur: