Fambolena vilona : antoka ho an’ny fahadiovan’ny ronono

Anisan’ny manatsara ny sakafon’ny ombivavy be ronono ny fihinanany vilona. Antoka ihany koa izany amin’ ny fahazoana vokatra ronono tsara. “Mila sakafo ampy sy sahaza azy ny omby vavy be ronono raha tiana ny hahazo vokatra tsara” hoy ny minisitra lefitra misahana ny Fiom­piana, ny dokotera Raymond, nandritra ny fankalazana ny Andron’ny vilonaho an’ny faritra Analamanga, tao amin’ ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Anosy Avaratra,
ny zoma teo. Notohizany fa zava-dehibe ny fahadiovan’ny ronono sy hahafahana miady amin’ ny tsy fanjarian-tsakafo ny fambolena vilona. Anisan’ ny vahaolana amin’ny sakafo omena ny biby mandritra ny vanim-potoana ririnina izany. Manala ny fahasahiranana ara-tsakafo ho an’ny biby izy ary fidiram-bola azo antoka
sy maharitra. Mbola paikady hoentina miaro ny nofon-tany ihany koa ny fambolena vi­lona. Araka izany, nentanina ny tantsaha hamboly vilona, noho izy manampy amin’ny fiompina sy ny fanatsarana ny vokatra azo. Nisy ihany koa fambolena vilona « ray grass » sy « avoine » ary koa fifanakalozana traikefa eo amin’ireo vondron’ny mpiompy, nandritra ny hetsika, ny zoma teo. Nosafidiana manokana ireo karazana voly ireo, noho izy azo atao mandritra ny fambolena voly avotra.

Henintsoa H.

Partager sur: