Fizakana zom-pirenena vahiny : mangataka fampiatoana ny filohan’ny Repoblika ny APM

Tsy mbola nifarana hatreo. Naneho ny heviny momba ny fizakana zom-pirenena vahiny
ny eo anivon’ny Antoko politika madio (APM). Nitodika amin’ny Antenimierampirenena
izy ireo ny amin’izany.

“Angatahinay amin’ ny filohan’ny An­tenimierampirenena mba hiampanga ny filo­han’ny Repoblika ka hanatanteraka latsa-bato miaraka
amin’ireo solombavambahoaka amin’izany, ary handefa azy hotsaraina eny amin’ny Fi­tsarana avo (HCJ). “Izay ny fanazavan’ny filohan’ny APM, Rakotoarisoa Faniry Alban, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny taratasy fangatahan-dry zareo napetrany eny anivon’ ny Antenimierampire­ne­na.
Fangatahany koa ny hitondran’ny filohan’ny Anteni­mie­ram­pirenena fangataham-panazavana amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) momba ny And. 46 amin’ny lalàmpanorenana, izay milaza hoe tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena ma­lagasy ny olompirenena mi­rotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Fanontanian-dry zareo amin’izany ny hoe: ny zom-pirenena malagasy irery ihany ve izay sa raha manana zom-pirenena hafa ankoatra ny malagasy dia mahazo mirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika?

Hampidirina anaty lalàm-pifidianana
Namoaka volavolam-panavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny APM, izay na­terina teny amin’ny Ante­ni­mierampirenena, tamin’ny 28 jolay 2021, fa tsy nisy tohiny. Voarakitra tamin’izany ny hampidirina ao amin’ny la­làm-pifidianana ny tsy fahazoan’ny filohan’ny Repoblika mirotsa-kofidina izay mizaka zom-pirenena hafa ankoatra ny zom-pirenena malagasy. “Satria mora voafatotra izy ireny amin’ny fanapahan-kevitra, rehefa misy tombontsoa mifanipaka eo amin’ny firenena roa tonta”, hoy izy. Tsy nisy tohiny ny raharaha, na nanaterana koa aza ny Antenimierandoholona sy ny primatiora.

R. Nd.

Partager sur: