HVM tany Faratsiho : “Aoka tsy ho kivy isika”

Nanomboka ny fihaonany amin’ny vahoaka hatramin’ny niverenany an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Rajaonari­mampianina Hery. Anisan’ny nisantarany izany ny any Faratsiho, distrika nataony fitaratra nanaovana tetikasa maharitra tamin’ny fotoam-pitondrany saingy tsy notohizan’ny mpitondra aty aoriana izany. Eo ny nanamboarana ny lalana sy ny hopitaly any an-toerana. “Tonga aho hitondra fanantenana sy ny fisandratana hitondra fihatsaram-piainana ho antsika, indrindra ny aty ambanivohitra…”, hoy izy. Nanteriny fa nanaja ny fifandimbisam-pahefana ny tenany ary nanaraka ny fiainam-pirenena hatrany tao anatin’ny efa-taona. Nohitsiny fa tena latsaka anaty fahantrana tanteraka ny firenena sy ny vahoaka. Nentaniny, araka iza­ny, ireo mponina any an-toerana. “Aoka isika tsy ho sodokan’ny seho ivelany sy ma­revaka fo­tsiny ary aoka tsy ho voafitaka intsony….”, hoy izy.

Lalana sy hopitaly…
Notsiahiviny fa mbola tsaroany ny fitiavan’ny vahoa­kan’i Faratsiho azy sy ny fiaraha-nientana tamin’izany, in­drindra tamin’ny fananganana fotodrafitrasa, nilain’ny va­hoa­ka eny ifotony. Rariny sy hitsiny raha tsidihiko voalohany isika aty, araka ny nambarany hatrany.
Nambarany fa nahafaly azy ny amin’ny fiovan’ny andavanandrom-piainan’ny mponina noho ny fahavitan’ny lalana RNS 43 sy ny nametrahana ny “Bloc opératoire” ao Fara­tsi­ho. Reny koa anefa ny fitarainana sy hetahetan’ireo vahoaka manoloana ny fijaliana sy fahoriana lalina iainana. “Aza kivy ianareo. Manàna fanantenana fa mbola ho avy ny fotoana ary tsy maintsy ho tohizana ny asa fampandrosoana efa natombontsika”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: