“Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fandraharahana eo anivon’ny fitsarana ny fametrahana tomponandraikitra vaovao. Anisan’ny paikady hanatrarana ny tanjona izany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny herinandro teo, tany Ambatondrazaka. Nambarany fa hanamafisana izany ny fanamboarana ny fitantanana ny mpiasa, tahaka ny an’ny sehatrasam-panjakana rehetra hitondrana fanavaozana. Misy ny mpitsara naato tamin’ny asany, ary eo koa ny mpandraharahan’ny fonja nafindra toerana, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’izany ary nandray ny asa maha filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka azy Randrianjarasoa Jhonson. Anisan’ny vinany sy tanjoa apetrany ny fitsarana manakaiky vahoaka sy ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Hotanterahina amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny lalàna amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny fitsarana mitety vohitra izany. Hapetraka koa ny paikady ho an’ny ady tany, ary hahena ny fanalavana ny famonjana vonjy maika, araka ny nambarany.
Synèse R.




