Taorian’ny dia natao tany La Réunion, ny febroary 2023 teo, noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana tao amin’ny birao fiasany, etsy Anosy, ny filohan’ny Région Réunion, i Huguette Bello, omaly. Nohamafisiny ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, toy ny lafiny tontolo iainana, izay hametrahana vina, hamboly hazo 1 000 000 amin’ny taona 2024. Eo koa ny taozavatra vita malagasy, ny famatsiana herinaratra ambanivohitra, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny tanora.
Nilaza ny PS, Razafimahefa Herimanana fa noresahana koa ny atrikasam-paritra ho an’ny fiaraha-miasan’ny fitsinjaram-pahefana hihaonan’ny faritra rehetra any Frantsa sy ny eto Madagasikara. Hisy koa ny fihaonan’ny mpandraharaha, ka tanjona ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny sehatry ny indostria sy ny varotra ary ny hafa.
Naneho ny fahavononany hiara-kiasa sy hifanampy amin’i Madagasikara, ho tombontsoan’ny Malagasy sy ny vahoakan’i La Réunion i H. Bello. Avy eto amintsika rahateo ny niavian’ny renioney, antony hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny Nosy roa tonta.
Njaka A.