Nihena kely : latsaky ny 3 000 Ar ny kilaon’ny vary

Miaina kely ny mpanjifa ! Miakatra ny vary vakiambiaty ka midina koa ny vidiny. Ni­laza i Jah, mpaninjara eny Amboditsiry, fa efa latsaky ny 3 000 Ar daholo ny kilaon’ny vary eto an-toerana, satria efa tonga tsikelikely ny vary avy any Alaotra. Mahatratra 2 700 Ar hatramin’ny 2 800 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena, ny makalioka, ny dista ary ny vary gasy mavo. Nidina ho 2 500 Ar ny vary tsipala. Tsia­hivina fa efa nahatratra ny 4 000 Ar ny kilaon’ny makalioka, tamin’ny volana marsa teo.
Nanamarika anefa i Jah fa efa hiakatra tsikelikely sahady ireo vidim-bary avy eto an-toerana ireo satria nisy ny vary simban’ny havandra fa­rany teo, raha ny tany Alaotra. Misy koa ny mpanangom-bokatra manararaotra, mitazona tahiry. Hatramin’ny volana jolay no hifarana ny fararano.

Njaka A.

Partager sur: