Fiovan’ny toetr’andro: nihena ny vokatra kafe

Nilatsaka ho 735 920kg ny vokatra kafe ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy, tamin’ity taona ity. Nihena ny vokatra raha oharina tamin’ny taona 2021 izay nahatratra 1 995 484kg. Anto­ny nahatonga izany ny fiovaovan’ny toetr’andro, hoy ny fanazavan’ny talem-parity ny Fampiroboroboana ny indostria, varotra sy ny fanjifana ao Atsimo Atsinanana. Manodi­dina ny 10 000Ar ka hatramin’ny 11 000Ar vidin’ny 1 kilao. Tsiahivina fa nisokatra ny alakamisy teo ny taom-piotazana sy famarotana kafe any an-toerana. Napetraky ny tomponandraikitra mazava tsara ireo fepetra samihafa tsy maintsy hajain’ny mpisehatra. Tafi­di­tra ao anatin’izany ny tsy maintsy hananan’ireo mpandraharaha mpanangom-bokatra ny ta­ratasy ara-dalàna. Tsy main­tsy hamarinina ihany koa ireo fitaovam-pandanjana ampiasana mba ho an’ny tombontso­an’ny rehetra. Ni­laza ny talem-paritry ny Fam­pirobo­roboana ny in­dostria, ny va­rotra sy ny fanjifana Atsimo Atsinanana fa tsy maintsy hamarinina ny kalitaon’ny vokatra kafe mba tsy hifangaro amin’ny vokatra hafa. Izany hoe, handalo any amin’ny sampandraharaha ma­no­kana ireo vokatra miala ny faritra.

Henintsoa H.

Partager sur: