Nitsidika ny faritra Atsimon’ny Nosy, ny masoivohon’i Japon sy ny mpandrindra voalohany eo anivon’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, ny herinandro lasa teo.
Anton-dian’izy ireo ny hijery mivantana ny fiantraikan’ny tetikasa nataon’izy ireo any an-toerana, izay vatsian’ny vahoaka japoney vola. Maro ny tetikasa vita (ny lalana, teo anelanelan’Ankirihiry sy Andragnara, tao amin’ny kaominina Behara; ny lakandrano mirefy 24 km ao amin’ny reniranon’i Sakatalia, ao amin’ny kaominina Behara sy Amboasary Atsimo). Maherin’ny 200 ireo sehatrasa niforona. Nisitraka hetsika fanentanana sy tolotra momba ny fahasalamana ara-pananahana, fandrindram-piterahana ary fandraisana an-tanana ireo olona iharan’ny herisetra. Nilaza ny governoran’ny faritra Androy, Soja Lahimaro fa: “afaka nisitraka rano fisotro sy azo hanaovana fambolena izy ireo, tamin’ny alalan’ny tetikasa”. Nisaotra ny vahoakan’i Japon, amin’ny alalan’ny masoivohony sy ny ekipan’ny Firenena Mikambana izy noho ny fanohanan’izy ireo ny vahoaka any atsimo, voakasiky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny kere. Nohamafisiny ny fahavononany sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra any amin’iny faritra iny amin’ny fitandroana sy fampandehanana ny fotodrafitrasa rehetra naorina niaraka amin’ny fanohanan’ireo tompon’antoka ireo.
Mino (mpianatra asa)