Ankatoky ny fety: tsy nisy niova ny ankabeazan’ny vidin’entana

Nijanona amin’ny vidiny mahazatra ireo enta-madinika sy kojakoja fampiasa andavanandro. Na izany aza, efa 800Ar sahady ny vidin’atody.

Andro vitsy mialohan’ny fety isika izao. Tsy nahitana fiovana firy ny vidin’ny enta-madinika fampiasa andavanandro. Na teo aza ireo fiakarana tamin’ny fiandohan’ny taona, ankehitriny tsy nahitana fiovana firy ny vidin’entana eny an-tsena. Ho an’ny vary manokana, anelanelan’ny 2 700 ka hatramin’ny 3 900Ar ny ki­laom-bary, arakaraky ny karazany. Mora indrindra ny vary avy any ivelany, ny “riz de luxe” sy ny “stock tampon”, 2 700Ar ny kilao. “Maha­tratra hatramin’ny 3 900Ar kosa ny kilaom-bary avy eto an-toerana, toy ny manalalondo sy ny makalioka. Manampy trotraka izany ireo vary simban’ny havandra farany teo, ho an’ireo vokatra avy any Alaotra”, hoy i Nirina, mpivarotra iray eny Analamahitsy. Ho an’ny menaka fihinana, 9 500Ar ny litatr’ireo voadio eto an-toerana. Raha mahatratra hatramin’ny 15 000Ar kosa ireo avy any ivelany. Ankoatra izay, nilaza i Nirina fa manodidina ny 3 500Ar ny kilaon’ny lafarinina raha 4 800Ar kosa ny kilaon’ny siramamy. Niakatra indray ny vidin’atody satria 750Ar sy 800Ar izany eny amin’ny tsenan’Andra­voa­han­gy.

Tsy niova
Tsy afa-misaraka amin’ny vanim-potoanan’ny fety ny akoho amam-borona. Mano­didina ny 25 000Ar ka hatramin’ny 30 000Ar ny vidin’ny akoho velona. Ny gana kosa manomboka amin’ny 35 000Ar arakaraky ny habeny, raha manodidina ny 60 000Ar kosa ny gisa iray. Manodidina ny 80 000Ar ny vorontsiloza iray. Eo amin’ny vidin-kena indray, 16 000Ar ny kilaon’ny akoho (poulet de chair), toy izay koa ny henan’omby, 20 000Ar kosa ny kilaon’ny henan-kisoa. 25 000Ar ny kilaon’ny akoho gasy.

Henintsoa Hani

Partager sur: