Mifarana anio ny dian’ny filohan’ny « Région Réunion », Huguette Bello, eto Madagasikara. Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy La Réunion eo amin’ny sehatra maro no anton-diany teto. Teo ihany koa ny dinika tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny amin’izay mety ho fiitaran’ny fiaraha-miasa. Olom-panjakana maro, sahala amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny no nihaona taminy nandritra izany. Teo ihany koa ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitra eo amin’ny sehatra maro.
Anisan’ny nisongadina tao anatin’izao dian’i Huguette Bello eto Madagasikara izao ny fihaonany tamin’ny vehivavy mitana andraikitra ambony sy manana ny maha izy azy eto amintsika. Anisan’izany Rakotomalala Lantosoa, ministry ny Indostria sy ny varotra teo aloha, Razakaboana Fanja, filohan’ny Groupement des Femmes Entrepreneuses de Madagascar, Rakotoson Michelle, mpanoratra, Rabeariamanana Lucile, mpahay tantara … Fanatsarana sy fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny Nosy roa tonta no tanjona tamin’izany fihaonana rehetra izany. Eo ihany koa ny fitadiavana fiaraha-miasa vaovao amin’ny sehatra hafa, ankoatra ny efa niarahan’i Madagasikara sy La Réunion hatramin’izay.
Lin (Mpianatra asa)




