“Hitanay fa misy lesoka be dia be, ary tsy mazava loatra amin’ny mpiasa ny fitantanana eto amin’ny Antenimierandoholona. Tsy mahamenatra anay izany. Izay no anisan’ny mahatonga an’izao fitokonana izao.” Io no nambaran’ny filoha lefitry ny sendikà eny amin’ny Antenimierandoholona, i Rivoson Théogène, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fitakian-dry zareo mpiasa eo anivon’io andrimpanjakana io.
Efa niala nenina ry zareo ary nandefitra. Tambin-karama no takina, nefa voafaritry ny sata manokana izany. Efa nanomboka tamin’ny 2017 no nisitrahan-dry zareo an’izay. Azo
izany na tamin’ny fitondrana teo aloha aza, saingy nihisatra izay amin’izao. Nisy ny fifampiresahana fa tsy tanteraka hatramin’izao. Tsy fantatra na tsy misy ny vola, na finiavana tsy te hanome. Zaza tsy mitomany, tsy mahazo nono? Miangavy an’ireo raiamandreny mpitondra fanjakana ry zareo hijery akaiky ny toe-draharaha.
Na ny kojakojam-birao toy ny taratasy iasana aza, tsy misy famatsiana; tsy misy intsony koa ny fitaterana mpiasa fa mijanom-potsiny ny fiara efatra… Nefa misy mirava alina, tsy misy saran-dalana, ary iaraha-mahita ny tsy fandriampahalemana. 19 miliara Ar ny tetibolan’ny Antenimierandoholona ary 18 ny isan’ny loholona. Nefa taloha 63 ny loholona ary 17 miliara Ar ny tetibola, ampy tsara. Tsy fahaiza-mitantana? Efa nisy fitokonana fitakiana karama volana novambra tamin’ny desambara 2022. Hanao ahoana indray izao?
R. Nd.




