Nandray ny avy amin’ny Antoko politika madio (APM), ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly, teny Tsimbazaza. Nitondra ny taratasy fanamafisana ny fitoriana ny filohan’ny Repoblika izy ireo.
Tonga nanamafy ny fitarainana sy ny fitoriana momba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika ny zom-pirenena frantsay teny amin’ity andrimpanjakana ity ry Rakotoarisoa Alban (Gangstabab), eo anivon’ny APM. Mazava ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’izy ireo eny Tsimbazaza. Nohazavainy kosa fa aleo ny lalàna sy ny dingana rehetra mifanaraka amin’izany no arahana momba io fitorian’ity antoko ity sy ny fangatahan’izy ireo ny hiampangana ny filohan’ny Repoblika amin’ny alalan’ny latsabaton’ireo depiote. Eo koa ny handefasana ny Filoham-pirenena hotsarain’ny Fitsarana avo (HCJ). Andrasana, araka izany, ny mety ho tohiny eny Tsimbazaza.
Etsy andaniny, nolanian’ireo depiote fa anisan’ny lahadinika aorian’ny fetim-pirenena, ny 28 sy ny 29 jona, ny fifanatrehana eo amin’ny governemanta sy ny Antenimirampirenena. Ho raikitra amin’izany izao raha tsy tanteraka hatrany izany teo aloha.
Hatao ny zoma 30 jona, mialoha ny fotoam-pamaranana ny fivoriana ny fifidianana ny solontenan’ny Antenimiera ho eo anivon’ny HCDDED indray, manomboka izao. Aorian’izany ny fanapahan-kevitra horaisin’ny depiote amin’ny hanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha, ahiana ho nanao kolikoly na nanodinkodina volam-panjakana.
Hafampana izany ny eny Tsimbazaza amin’ny herinandro.
Synèse R.




