Betroka sy Isoanala : manabe voho ny antokony ny MMM

Mivoy hatrany ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny tena fitsinjaram-pahefana sy manome vahana ny eny ifotony. Nihaona sy nihaino ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga tao amin’ny distrikan’i Betroka sy ny kaominina Isoanala, ny delegasiona no­tarihin’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ta­min’izao fiandohan’ny herinandro izao. Nifanakalozana hevitra tamin’izany ny ahafahana manabe voho ny antoko sy ny hanamafisana ny fotokeviny, mifototra amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Nambaran’ny mpitarika ny antoko fa tsy hisy fampandrosoana vanona izany eto raha tsy apetraka sy mihatra araka ny tokony ho izy ny fitsinjaram-pahefana. Efa misy ny fampiharana izany hatramin’ny nijoroan’ity antoko ity. Tsy latsa-danja amin’izany ny fitsinjaram-pahefana entina hitantanana ny firenena, araka ny nambaran’Andrianaina­ri­velo Hajo. “Ilaina ny fanatevenana ny fahaiza-manao eny ifotony. Manomboka amin’ny sefo fokontany izany ka ome­na ny andraikiny izy ireo ary arahina fampitaovana sy hoenti-manana mifanaraka aminy hisian’ny fampandrosoana”, hoy izy. Nifanakalo­zana amin’ireo mpikambana ny hampiroboroboana sy ha­nitarana hatrany ny ambaindain’ny antoko.

Latsaka an-katerena

Etsy andaniny, naneho ny hafaliany ireo mpikambana tamin’izao fihaonana amin’ny filoha nasionaly izao. “Poro­fon’ny fitiavana izao”, hoy izy ireo. Nitatitra ny olana isaky ny kaominina ireo mpikambana. Nifam­pizara amin’izy ireo ny za­va-misy eto amin’ny firenena kosa ny mpitarika ary nampahatsiahy ny vina sy ny fotokevitry ny antoko. No­henoina koa ireo manana hevitra sy fomba fijery ho­entina manavotra ny taninjanaka efa latsaka an-katerena. Tsiahivina fa nanomboka tany Ihosy, Iho­rombe izao hetsika ataon’ny MMM izao ary hitohy any amin’ny distrika hafa, any atsimo hatrany.

Synèse R.

Partager sur: