CT Motors sy PAMF: hahazo fiara ireo manana anton’asa

Tontosa omaly, ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrona CT Motors sy ny Banky mpampindram-bola Première Agence de Microfinance (PAMF), tetsy Andraharo, omaly. Natao hampidinana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara, manampy ny mpanjifa hisitraka vokatra mivantana eo anivon’ny orinasa CT Motors ity fiaraha-miasa ity. “Afaka mivadika ho tompon’ny   Tuktuk entiny ireo mpiasa mpamily manomboka izao”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny banky  PAMF,  Guy Ratsimbazafy.  Manana anton’asa ara-dalàna, mametraka ny taratasy fangataham-pindramam-bola eo anivon’ny PAMF ny mpanjifa. Mandinika ny antontan-taratasy ny banky ka mamaly avy hatrany ny filàna, araka ny fangatahan’ny mpanjifa. “Tsy voatery ho Bajaj. Afaka mindram-bola hanjifany ny fiara hatramin’ny kojakoja madinidinika eto amin’ny CT Motors ihany koa ny mpanjifa”, hoy ny tale jeneralin’ny CT Motors, Reza Tahora. Hanampy amin’ny famoronan’asa eny ifotony, arak’izany, ity fiaraha-miasan’ny roa tonta ity.

Tsiferana R.

Partager sur: