Banky Iraisam-pirenena: 1 250 miliara dolara tokony hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Ho an’ny Banky Iraisam-pirenena, tokony hoentina miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny volabe entin’ireo firenena hanohanana seha-pihariana vao mainka manapotika ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fandaniana amin’ny fambolena sy ny solika.

Namoaka tatitra ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ny 15 jona 2023 teo, tany Washington, fa maro ny firenen-dehibe mandany vola fahatany hanohanana ny sehatry ny fambolena, ny jono, ny solika, amina miliara dolara izany. Tokony entina hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro anefa izany volabe izany, izay manapotika ny mponina sy ny planeta. Tombanana hatrany amin’ny 1 250 miliara dolara isan-taona io vola io, mitovitovy amin’ny lanjan’ny toekarena any Mexique. Avo enina heny isan-taona ny fandanian’ny firenen-dehibe ho an’ny solika miohatra amin’ny vola naroson’izy ireo fa harotsany araka ny fifanarahan’i Paris, entina hatokana ho an’ny angovo azo havaozina.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Banky Iraisam-pirenena, Axel van Trotsenburg, fa « tsy misy ny vola ho an’ny toetr’andro. Ny tena marina anefa, misy ny vola fa mankany any amin’ny tsy tokony hampiasana azy. Raha ampiasaintsika amin’ny zavatra mahasoa mitsinjo ny tontolo iainana izany volabe an’arivony miliara dolara izany ».
Mahatratra 577 miliara dolara ny vola nampiasain’ny firenen-dehibe lazainy fa nampihenana ny solika toy ny lasantsy, ny gazy ary ny arintany tamin’ny taona 2021, nefa vao mainka manimba ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny rivotra. Afaka nampiasaina amin’ny famokarana maitso maharitra anefa raha ny 500 miliara dolara amin’io fotsiny.

Hanatsara ny fari-piainan’ny mponina
Nahatratra 635 miliara dolara isan-taona ny fanampian’ny fanjakana nampiasaina amin’ny fambolena, izay ampiasana zezika simika mihoapampana, manimba ny tany. Ringana ny 14%-n’ny ala voajanahary, hambolena soja, menaka na iompiana omby.
Mitentina 35 miliara dolara ny fanampian’ny fanjakana ho an’ny jono indostrialy, manapotika ny tontolo an-dranomasina. Miisa 7 tapitrisa ny zaza maty mialoha ny fahaterahana maneran-tany vokatry ny solika, ny gazy ary ny arintany, indrindra ny aty amin’ny firenena mahantra.
Nilaza ny mpahay toekarena, lehiben’ny Fampandrosoana maharitra ao amin’ny BM, Richard Damania, fa hanatsara maharitra ny fari-piainan’ny mponina ny famindrana ireo volabe fanampian’ny fanjakana ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: