Anisan’ny Faritra arovana (AP) any amin’ny faritra Boeny, ny tandavanala Mahavavy Kinkony (CMK), Antrema ary Ankarafantsika. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Tahirimbola ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo iainana eto Madagasikara (FAPBM), manan-danja, avo dimy heny, ny anjara toekaren’ireo harena voajanahary raha oharina amin’ny sara-pitantanana isan-taona. Mitentina 101,649 miliara Ariary (23 264 922 dolara) ny anjara toekarena isan-taona ho an’ireo Faritra Arovana telo ireo raha mahatratra 20 060 420 017 Ar (4 591 330 dolara) ny saram-pitantanana.
Manampy ireo mitazona ny fikorinan’ny loharano ny ala, ilaina amin’ny fivelomana sy ny fiharian’ny mponina. Santionany, ny lanja entin’ny faritra arovana Ankarafantsika. Misy farihy miisa fito, mitotaly 162 ha ao aminy, mamatsy lemaka tanimbary maherin’ny 38 000 ha any Marovoay, ary 8 000 ha any amin’ny tapany atsimo.
Misy koa ny ala rofia, mahatratra 527 ha, akora ilaina amin’ny asa tanana sy ny taozavatra ho an’ny vehivavy.
Njaka A.