Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny fikirakirana ny teknolojia. Hahafahana mandranto fahalalana sy manangana tetikasa entina manatsara ny toekarena. Izay ny tanjona apetraky ny fikambanana OPTA.
Mampisokatra lalana maro samihafa ny fahaizana mikirakira ny teknolojia. Mampahafantatra ny zo sy andraikitra miandry ny tsirairay izy, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fidiram-bola sy ny fitadiavana tetikasa na lohahevitra iray hanovozam-pahalalana. Tafiditra amin’izay ny tanjona apetraky ny fikambanana olom-pirenena tomponandraikitra (OPTA) amin’ny tolotra omeny amin’ny alalan’ny fanarahana fiofanana teknolojia ho an’ny fandrosoana maharitra. « Tanjona ny fanabeazam-boho amin’ny fisian’ireo ivontoerana fiofanana teknolojia vaovao any amin’ireo LTP manerana ny Nosy », hoy ny fanazavan’i Toto Raharimalala Marie Lydia, filohan’ny filankevim-pitantanan’ny OPTA. Hahafahana manatanteraka izany ny fanatontoloana teknolojia noho izy misokatra amin’ny sehatra samihafa sy manokatra lalana ho an’ny olom-pirenena iray. Afaka misitraka izany ny tsirairay na ireo mpianatra manao boky sy manaraka lalam-piofanana samihafa.
Tombony
Sehatra iray ahafahana mampiroborobo ny toekarena ny fanarahana ny tolotra “point d’information et de formation en téchnologie de l’information et de la communication” (PIF TIC) ataon’ny OPTA, noho izy tsy afa-misaraka amin’ny fikirakirana teknolojia. Misy koa ny tolotra omena an’ireo tantsaha ho entiny hanatsarana ny vokatra ataony. Fampianarana amin’ny teny malagasy ahafahany mampihatra ny fahalalana sy fahaiza-manao. Ao koa ny fianarana informatika na koa fianarana teny vahiny ho an’ireo fikambanana samihafa.
Miasa amina faritra maro manerana ny Nosy ny OPTA, efa maherin’ny 5 000 ny olona nisitrika ny tolotra informatika avy amin’ity fikambanana ity.