Fikambanana iray mpanodina fako ho lasa vokatra azo ampiasaina andavanandro ny «Tanjona ny fivoaran’ny tanora » (Tafita). « Te hampahafantatra ny rehetra izahay fa azo aodina tsara ny fako mba hampihenana ny loto eny anivon’ny tontolo iainana », hoy Rasoanatoandro Perline Lalao, filohan’ny fikambanana. Araka izany, manangona fako toy ny plastika sy ny baoritra ny fikambanana ary manodina izany mba ho azo amidy sy mampidi-bola. Maro karazana ny vokatra vitan’ity fikambanana ity, toy ny fanodinana ireo kapila mangirana ho lasa fametraham-bera na koa ho lasa haingon-trano. Ao koa ireo vokatra vita avy amin’ny « carbone » sy ireo azo avy amin’ny fonona zava-pisotro na ronono, fonona « biscuit ». Tafiditra amin’izay koa ny fanodinana taratasy sy plastika isan-karazany mba tsy ho hariana eny rehetra eny. Ankoatra izay, miara-miasa amina sekoly ny fikambanana Tafita mba hanangonana ireo fako na akora fototra entiny iasany. « Mampiasa tavoahangy plastika izahay entina hanangonana ireo fonona biscuit ireo sy ny maro samihafa. Aorian’izay, azo aodina sy avadika biriky na zavatra hafa io tavoahangy io », hoy hatrany ny fanazavany.
Fikirizana
Nilaza ny filohan’ny fikambanana fa tsy vita iray andro ny fanodinana ny vokatra. Mitaky fepetra maro ny fanaovana izany. Ao ny fanadiovana ireo akora, ny fanapahana azy ary ny mandrary izany. Notohizany fa manodidina ny telo ka hatramin’ny dimy andro ny fanaovana ny asa, arakaraky ny vokatra andrasana. Tanjona apetraky ny fikambanana Tafita ny hanentana ny mpiara-belona tsy handoto ny tontolo iainana sy hampahafantatra fa akora mampidi-bola sy mampiroborobo ny toekaren’ny fiarahamonina ny fikirakirana ny fako.