Ozinina mpanodina ronono: hampiakatra ny toekaren’ny tantsaha

Hanatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpiompy ao Moramanga ny fahazoana ny milina mpanodina ronono ao an-toerana. Havadika ho yaourt na fromazy ny ronono vokarina ka hanova ny toekaren’ny mponina. Ny zoma teo, tonga tao Moramanga , nanatitra io milina io ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard. Nanatrika izany ny kaoperativan’ny tantsaha mpamokatra, ny ben’ny Tanàna ao amin’ny distrikan’i Moramanga, ny tanora mpianatra ary ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity ozinina mpanodim-bokatra ity no azo alefa amin’ny herinaratra ihany koa mba hialana amin’ny fahasahiranana amin’ny fahazoana angovo.
Tafiditra anatin’ny tetikasa “one district one factory” (ODOF) ny fampiroboroboana ny indostria. Tanjona ny hananan’ny tanàna ozinina manodina vokatra mampiavaka azy. Politikam-panjakana rahateo ny fampitomboana ny famokarana ireo entana ilaina andavanandro hialana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany sy fahavitan-tena ara-tsakafo.

Partager sur: