Tetikasa Rindra : hampangarahara ny fitantanana ny asam-panjakana

Haharitra dimy taona ny fanatanterahana ny tetikasa “Rindra” eto Madagasikara. Tanjona ny hampangaraharana ny fitantanana ny asam-panjakana.

Nifarana ny 16 jona lasa teo ny atrikasa, naharitra telo andro, hanatanterahana ny tetikasa “Rindra”. Notanterahina tany amin’ny distrika telo (Fenoarivo Atsi­nanana, Vavatenina, Soanie­rana Ivongo) sy kaominina 14 anatin’ny faritra Analanjirofo.
Nanomboka niasa teto Madagasikara ny tetikasa tamin’ny 2021 ary haharitra hatramin’ny 2026 izany. Mahatratra 100 ny kaominina hisitraka izany manerana ny Nosy. Hisehatra amin’ny fa­metrahana ny zo hisitraka ny asam-panjakana mangarahara sy ny fitsarana tsy mitanila. Eo koa ny fitantanana sy fidiram-bola mitodika amin’ny fampandrosoana. Farany, ny fanamafisana ny fandraisan’andraikitra, mba hahazoan’ny vahoaka tamberin’andraikitra (fandoavan-ketra, fiarovana ny fahadiovan’ny tanàna sy totolo iainana…).
Mety olana amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny sefo fokontany sy/na ny ben’ny Tanàna, raha ny fanazavana voaray. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra Maromitety, distrikan’ i Vavateninna, Di­milahy Delphin, fa: «lasa sakana amin’ny fampandrosoana ifotony ny sefo fokontany satria mialangalana noho ny firehana politika izy ireo». Nohamafisin’ny sekretera je­neralin’ny faritra Analan­jirofo, Bevazaha Marie Annick kosa fa: «natokana ho an’ny vahoaka ary holovain’ny taranaka fara mandimby ny fahatanterahan’ny tetikasa ka tsy tokony handray izany ireo mpitantana tsy vonona amin’izany».
Hiasa ao anatin’ny faritra dimy, manerana ny Nosy, ny tetikasa, anisan’ izany ny faritra Analanjirofo. Manatan­teraka izany ny Pnud ary ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) no manohana ara-bola.

Sajo sy
Mino (mpianatra asa)

Partager sur: