Tontolo iainana: Ilaina ny tamberin’andraikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina

Manan-danja eo amin’ny famokaran’ny orinasa iray sy ny toekarena ny fiarovana ny tontolo iainana. Adidy miandry azy ireo ny fikolokoloana ny zava-mananaina sy ny rohivoahary.

Manana adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny mpiara-belona ny sehatra tsy miankina. Mba hahafahany manitatra sy mampaharitra ny andraikitra sahaniny izany. Antony nahatonga ny hetsika “RSE et des initiatives pour le développement”, andiany fahavalo. Hets­ka hatao eny amin’ny Novotel Alarobia, ny 6-7 jolay izao. Anisan’ny manimba ny tontolo iainana ny akora simika sy ny entona miparitaka. Iharan’ny tsindry samihafa ataon’ny olombelona koa ny zava-mananaina. Miankina aminy anefa ny fihodinana sy ny fandrosoan’ny toekarena.

Lohahevitra amin’ity hetsika ity ny hoe sehatra tsy miankina sy ny zava-mananaina : tombony sa ambana ? (secteur privé et biodiversité : opportunité ou menace ?) «Tanjona ny hahatonga saina ny mpisehatra samihafa sy hampitombo ny orinasa handray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina sy eo amin’ny tontolo iainana», hoy ny fanazavan’Andriamiharisoa Harinjaka Romuald, tale jeneralin’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.
Manatanteraka
Mila mametraka paikady hoentina miaro ny zava-mananaina sy ny fiantraikan’ny fa­hasimbana eo amin’ny fiarahamonina ny orinasa. «Ha­nim­ba ny rohivoahary kosa ireo orinasa tsy manana tamberinan’andraikitra amin’ny fiarahamonina. Ho simba iha­ny koa ny asa sahaniny», hoy kosa Rabefitiavana Ulrichia, mpitantana ny UR-CSR sady mpikarakara ny hetsika. Hia­vaka ity hetsika RSE ity, ho tonga eto Madagasikara ireo manampahaizana samihfa maneran-tany. Maro ihany koa ny lohahevitra horesahina mandritra io roa andro io.

Henintsoa Hani

Partager sur: