KAOPERATIVA : lany ny volavolan-dalàna

Lany teny amin’ny Antenimierandoholona nandritra ny fivoriambe, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Hojerena manaraka ny famoahana ny didy fampiharana, hahafahana misitraka ireo tombontsoa samihafa. Ainga vao sy hitondra fampandrosoana eny ifotony ity lalàna ity. “Raha miresaka kaoperativa dia miresaka fihariana isika, miresaka ihany koa fiveloman’ny mponina eny ifotony”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, teny amin’ny Lapan’Anosikely. Mandamina ny rojom-pihariana eny ifotony sy miantoka ny fahafahan’ireo orinasa kaoperativa manondrana vokatra any ivelany ity volavolan-dalàna misy lohateny sivy sy andininy 240 ity.

Ankehitriny, hivadika orinasa kaoperativa sy afaka manondrana vokatra any ivelany avokoa ireo kaoperativa manodidina ny 3 500 manerana ny Nosy.

Henintsoa H.

Partager sur: