Ranaivoarisoa Vonifanja : sambany vehivavy ny tale jeneralin’ny CEM

Aina vao indray no hoentin’ny tale jeneraly vaovaon’ny Caisse d’Epargne Madagasikara. Tanjona ny
hahazoan’ny orinasa tombombarotra, ny fitomboan-karena ary maharitra.

Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, ny alakamisy 29 jona teo, ny tale jeneraly (DG) hitantana ny Caisse d’Epargne Mada­gasikara (CEM). Taorian’ny masontsivana samihafa, tinapaka teo anivon’ny filankevi-pitantanana fa Ranaivoarisoa Vonifanja Harinala, izay sambany vehivavy, no handray ity toerana manan-danja ity. Tsia­hivina fa tale jeneraly mpisolo toerana roa, Andriamanan­tsoa Claude sy Razafindra­koto Serge no nodimbiasany.
Tanjona napetraky ny DGn’ny Cem vaovao ny hana­tsarana ny fampidiram-bola, hahazoana tombombarotra, ny fitantanana hiteraka fitomboan-karena sady maharitra. Hanatanterahana izany ny hampiasana sampandraharaha ara-bola madinika (IMF) ho fomba sy fitaovana rehetra hiadiana amin’ny fahantrana. Izany no mitarika any amin’ny fananana toe-tsaina ara-bola.
Nohamafisin-dRanaivosoa Vonifanja, fa isan’ny iraka vonona hiara-kiasa amin’ny Malagasy mpandraharaha ny CEM, mba hisy fiantraikany any amin’ny orinasa tsy miankina.

Traikefa maro

Manana ny traikefa feno eo amin’ny tontolo ara-bola ny tenany, niasa nandritra ny 13 taona tao amin’ny banky So­ciété Générale (SG) Madaga­sikara. Nitazona andraikitra ambony samihafa, toy ny mpa­nolotsaina ny mikasika ny mpanjifa, tomponandraikitry ny fampiofanana, talen’ny masoivoho sy ny vondron’ny masoivoho, sns. Manana ny orinasa kabinetra HR Con­sulting koa izy, misehatra
amin’ny tontolo ara-bola. Aminy, « fianarana foana ny fiainana ».
Nanome toky ny solontenan’ny mpiasan’ny CEM fa vonona hanao ny fara heriny hiara-kiasa sy hifandrimbona amin’ny tale jeneraly vaovao.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Partager sur: