Notokanana ny 24 jona teo ny tsena vaovao any amin’ny kaominina Maromiandra, distrika Toliara II. Fotoana iray nihaonan’ny manam-pahefana samihafa, toy ny solombavambahoaka, ny ben’ny Tanàna ary ny governora Atsimo Andrefana. Niantefa any amin’ny filoha, Rajoelina Andry, ny fangatahan’ny ben’ ny Tanàna Maromiandra, Edson, hirotsa-kofidiana amin’ ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy izao. « Miangavy ny filoha koa isika hanokatra indray ny Base Toliara satria hiteraka asa ho antsika. Ahafahantsika mampandroso ny kaominina, hananganana fotodrafitrasa toy izao tsena tokanana izao izany. Voakasika mivantana ny tetikasa Base ny eto Maromiandra », hoy izy.
Nilaza ny depiote Toliara II, Rochelin Houssen, fa efa nanaiky ny tetikasa Base hatrany am-boalohany izy ary manamafy ny hanokafana azy indray. Maro ny vitan’ity orinasa ity ho an’i Toliara, ary irinay ny hanatanterahana ireo fifanarahana efa natao rehetra.
Hitondra fampandrosoana ny tsena
Nisolo tena ny vahoaka, ny sefo fokontany ao antampo-tanàna Maromiandra, Alphonse. Ho azy, misedra olana foana ny mponina satria tsy misy orinasa miforona. Tsapa ny tohana nataon’ny Base Toliara nanangana ny birao fokontany. Ankehitriny, tsy an’asa ny tanora. « Miandry ny hisokafan’ity orinasa ity izahay », hoy izy ireo.
Hitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina ity tsena vaovao ity. Nilaza ny filohan’ny fikambanam-behivavy Maromiandra, Sabine Hélène, fa « faly izahay satria ho afaka mivarotra ny fambolena, toy ny anana, ny legioma. Efa nampiofanin’ny Base nanamboatra kaonfitiora izahay, nanao mofo. Napianarina ny tao-trano, manao biriky, mamily fitaovam-piasana, sns, ny tanora. Inoanay fa hampiditra hiasa ny tanora eto an-toerana ny Base Toliara.
Njaka A.