Tsy afaka namboly ny ankamaroan’ny tantsaha ao amin’ny fokontany miisa 10, any amin’ny distrikan’i Mampikony sy Port Bergé, ny taona 2022. Antony ny ady tany, any amin’ny fitsarana, eo amin’izy ireo sy ny orinasa tsy miankina iray. Nilaza ny tonia mpanatanteraky (SE) ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (Sif), Raparison Éric, fa namoaka didy hitsivolana (ordonnance de rétraction) ny fitsarana tampony, ny desambra 2022 teo. Hany ka afaka namboly indray ireo tantsaha ireo tamin’ity taom-pambolena 2023 ity. « Tsy afaka namboly teo ireo tantsaha ireo raha tsy nahazo didim-pitsarana, nefa tsy ampiharina », hoy ihany izy. Akory ny hatairan’izy ireo taty aoriana fa nampanantsoin’ny zandarimaria any Mampikony ny tantsaha miisa 45, ny zoma 30 jona teo. Nampahatsiahy ny SE-n’ny Sif fa mangataka antontan-taratasy mikasika ny nahazoana ny titra tany amin’ilay orinasa ny fitsarana saingy tsy nahazo hatramin’izao. Manaitra ny fanjakana ny Sif hijery akaiky ity raharaha ity satria efa nanome toky ny filoham-pirenena fa hamoraina ny fahazoan’ny Malagasy tany.
Njaka A.