Tsy fampiasana ankizy: hanampy ny minisitera ny OIT

Nihaona tamin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny zoma 30 jona teo, ny talen’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny asa, OIT, eto Madagasikara, Seychelles, Maurice, Comores, Coffi Do­minique Agossou. Anisan’ny lohahevitra noresahana ny nankatoavana ny sata vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny fampiasana ny zaza tsy ampy taona. Nan­kasitrahan’ity mpiasa ambony ao amin’ny ONU ity ny mampiavaka ilay sata vaovao sy ny fanafoanana ny fampiasana ankizy.
Manoloana ireo, hiara-kiasa ny roa tonta hamolavola tetikasa hanafoanana tanteraka ny fampiasana zaza tsy ampy taona amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Vonona hanohana ny minisitera ny OIT, hisian’ny tontolo madio amin’ity sehatra ity.
Ankoatra izany, ho ampian’ity fikambanana iraisam-pirenena ity koa ny fanjakana hanangana ny Tahirim-pirenen’ny volamena. Eo koa ny famantarana ny lalana rehetra niavian’ny harena ambanin’ny tany, mba hahafahana mampiditra vola vahiny. Sady hahazoan’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana tombontsoa rahateo izany. Nampa­hatsiavin’ny minisitra Rakoto­malala Herindrainy fa nasian’ny filoha Rajoelina teny ny mikasika ireo, tamin’ny fivoriana natrehiny tany Genève, ny volana jona teo.

Njaka A.

Partager sur: